Teny iditra mivelatra (velatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mitsotra mivalampatra: Nivelatra teo an-tokotany ny tsihy
Misokatra: Aoka samy hivelatra eo anoloanareo ny bokinareo
Miseho milahatra sy milamina tsara mba hanaitra ny maso: Efa nivelatra ny entan-dRabe no tonga aho
Vaky: Mivelatra ny vonindraozy ao an-tokotany
Mihaingo, miraratra izaitsizy: Mivelatra erý ry zalahy izany fa fety ny andro! [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To unroll or unfold; to spread out, to open out [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être déployé, s'épanouir [1.8]
Ohatra Ny tarehiny notarafin'ny vonindraozy nivelatra sy ny ravina maitso nanodidina azy, ka tomarataratra. [2.324]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mivelatra
Ny lasa : nivelatra
Ny hoavy : hivelatra
Filaza mandidy : mivelara
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra mivelatra (velatra)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Malalaka, midadasika [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Large [1.13]

Nohavaozina tamin' ny 2022/09/14