6 Ny atsy, afom-pantàka mipoapoaka;
7 Ny ary, afom-bero mirefodrefotra;
8 Fa ny aty kosa
9 afon'ampombo
10 malemy vaika,
11 nefa tsy matahotra na miraika.
12 Tsofina mora
13 vao mihamiredaka,
14 kanefa mangina
15 tsy dedadedaka.
16 Fidodododon'ny iray tanàna
17 fa afo malefaka manafana!
18 Ny atsy, vara-mipoaka
19 mandatsaka aina;
20 Ny ary, kotrokotroka
21 mahamonaina;
22 Ny aty don-tokana
23 mahamanina
24 k'asakasakareo
25 te-ho savolaina,
26 ka ny mandrotsirotsy
27 no hosoketaina.
28 Ny atsy, rivo-doza
29 mandrava efa;
30 ny ary, tadio andosiran'olona;
31 ny aty amin'izany
32 tsarovy anefa
33 tsy mihintsana akory
34 fa vao vololona!
35 ................
|
36 Ny atsy, ranomasina midadasika,
37 haingon'ny morony tora-pasika;
38 ny ary, farihy be manganohano,
39 alokalofan'ireo tatamo;
40 fa ny aty kosa, indrisy!
41 ka dobo kely,
42 tsisy hatsarana velively
43 fa mora ritra sy mety tankina,
44 nefa manana ny azy
45 tsy mila miankina!
46 Ny atsy, hono,
47 adrisa sy irony ambolo;
48 ny ary, soherina sy ireo lolo.
49 Ny aty kosa,
50 tsy ireo mahery,
51 fa kijeja malemy,
52 mieriery,
53 nefa mandrendrika
54 irony sambo
55 satria miray hina
56 tsy matin-kambo.
57 Ny atsy, jiro herimbaratra
58 lasan-davitra;
59 ny ary, jiro solika no mitaratra
60 k'izay rehetra jerena
61 dia toa miraratra.
62 Fa ny aty kosa,
63 lazaiko mora,
64 fa tongo-takotra sy jabora:
65 io no mba jiro-fanala-haizina,
66 ka asanareo
67 raha dia hanakora.
|