Teny iditra Ny Fivoaran' ny abidia malagasy
Singan-teny fivoarana ; abidia ; malagasy
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky)
Mpanoratra Andriamihaja Solonavalona, 2003/05/22
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra Ny fivoaran'ny abidia malagasy

Famelabelarana nataon'Atoa Andriamihaja Solonavalona tao amin'ny Akademiam-Pirenena Malagasy tamin'ny 22 May 2003

Kianina ny teny malagasy ho malemy noho ny antony maro toy ny tsy fahampian'ny voanteny ahafahana mifanerasera eo amin'ny tontolo moderna, ohatra informatika, fahasalamana, fifandraisan-davitra, filozofia, . . . na koa noho ny faharatsian'ny abidia na ny faharatsian'ny fomba fanisana.

Raha ny abidia no resahina dia efa ho 200 taona latsaka kely izao no nampiasantsika ny tarehintsoratra latinna. Ny abidia voalohany, notapahina tamin'ny andron'ny mpanjaka Radama I tamin'ny taona 1823 dia anisan'ny tena tsara satria tena nampihatra ny fitsipiky ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fonetika/Association Phonétique Internationale (API) : marihina amin'izany fa ny zanatsoratra rehetra (a, e, i, o, u/ou, y) dia vakina amin'ny feo tokana toy ny amin'ny teny frantsay fa tsy maromaro toy ny fomba anglisy. Ny abidia manaraka kosa, tamin'ny 1828 dia nisy fihemorana lehibe satria nampiditra ny fahadisoana fanomezana feo 2 samy hafa amin'ny litera iray, ny litera « o » : tononina indraindray amin'ny feo [ u ] toy ny amin'ny teny anglisy « to » na ny teny frantsay « mou » (feo tsy fampiasan'ny abidia API ho an'io litera io), indraindray amin'ny feo [ o ] mahazatra API eran-tany, ohatra amin'ny teny frantsay « mot » na ny teny italianna « Roma ».

Ny abidia nanaraka, tamin'ny 1962, dia tsy nahavaha io olana io satria mbola nitazona ny fahadisoana « o 1828 » vakina toy ny amin'ny teny frantsay « mou » (izay tsy tokony ho izany raha ny tarehintsoratra no jerena) ary mbola nampiditra koa soratra vaovao hafa, ny « ô 1962 » hovakina hoe [ o ], toy « o » mahazatra eran-tany. Hafahafa daholo izany rehetra izany, tsy manara-penitra, tsy manaraka ny fitsipika ifanekena ao amin'ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fonetika efa voalaza. Ity abidia 1962 farany ity koa, mba hahafahana manonona ny voanteny amin'ny fiteny maro avy any anindrana ahenoana ilay feo antsoina hoe : n an-danilany dia nampiasa ny kamban-tsoratra « gn », ohatra : Tolagnaro. Mbola hafahafa koa izany, ny fomba mahazatra dia ny fomba fanoratry ry zareo española, mampiasa ny litera « ñ » antsoina hoe : n tilda.

Ity abidia farany ity, antsointsika hoe abidia 1828-1962 no ampiasaintsika amin'izao fotoana izao, ahitana ireto litera diso toerana ireto, « o 1828 », « ô 1962 » sy « gn 1962 ».

Mbola kianina koa ity abidia ity satria tsy ahafahana manoratra ireo voanteny iombonana iraisam-pirenena toy ny : watt, bungalow, fax, taxi, cobalt, quartz, Canada sy ny maro hafa satria tsy manana ireto litera ireto : c, q, u, w, x. Ireo halemena rehetra ireo no tokony hofoanana ka hiverenana amin'ny Abidia voalohany tamin'ny 1823 izay efa nolazaintsika hoe manaraka ny fomba fanoratana manana toetra tena fonetika (ampiana fanitsiana kely raha ilaina). Voalohany, tazonina ny kamban-tsoratra tetezamita « ou » hasolo ny « o 1828 » ankehitriny, ohatra : Mahavelouna (fa tsy : Mahavelona) na koa Antananarivou (fa tsy : Antananarivo). Ahitsy kely io abidia voalohany io ka ilay soratra tetezamita « ou 1823 » soloina ny « u 2001 » iraisam-pirenena ary izao no azontsika : Antananarivu - na Antananarivou tetezamita (fa tsy : Antananarivo), Mahaveluna na Mahavelouna tetezamita (fa tsy : Mahavelona). Ity no fitsipika hentitra tazonina farany aorian'ny tetezamita.

Faharoa, velomina koa ilay « o » tena izy hanononana ny feo [ o ], antsoina hoe « o 2001 » toy ny amin'ny voanteny betsimisaraka hoe : « tokatoka » (fa tsy : tôkatôka) na koa amin'ny teny vahiny nogasiana na nindramina, ohatra : fotokopia (fa tsy : fôtôkôpia), Roma (fa tsy : Rôma), Romanina (fa tsy : Rômanina).

Fahatelo, ampidirina ilay tarehintsoratra mahazatra eran-tany « ñ » hasolo ny « gn 1962 » taloha ary izao no azo : Matitañana (fa tsy : Matitagnana).

Ho fampiharana ireo fitsipika 3 ireo : fampiasana ny litera vaovao « u 2001 » manome ny feo [ u ], ny litera vaovao « o 2001 » manome ny feo [ o ] ary ny « ñ 2001 » hanoratana ny feo n an-danilany dia indro ny ohatra iray : Tolañaru na Tolañarou tetezamita (fa tsy Tôlagnaro).

Fahefatra sady farany, ampiana ireo litera nesorina tamin'ny taona 1828 (kanefa nisy tamin'ny abidia voalohany tamin'ny 1823), dia ireto litera 5 ireto : c, q, u, w, x, ampiasaina indrindra amin'ireo voanteny avy amin'ny teny vahiny, nogasiana na nindramina. Tsy maintsy misokatra amin'ny riba siantifika sy teknika isika fa tsy hijanona fotsiny amin'ny riban'ny kabary sy ny poezia, amin'izay dia mba handova ireo voanteny iombonana iraisam-pirenena isika, ampiasain'ny anglisy, amerikanna, sinoa, frantsay, zoulou, . . . Ireto santionany amin'ireny voanteny ireny : cobalt, cargo, quartz, Québec, fax, taxi, watt, Washington, Frankfurt am Main, uranium, . . .

Ity abidia farany ity no antsointsika hoe Abidia malagasy vaovao 2001, ahitana litera miisa 27 dia ireto avy : a, b, c, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, ñ, o, p, q, r, s, t, u, v, w, x, y, z.


Nohavaozina tamin' ny 2023/07/10