|
|
|
|

Teny iditra1  Ny foko nanidina
Sokajin-teny  2  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  3  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  4  Rabearivelo Jean-Joseph
Lahatsiratra manontolo 
5  Ny foko nanidina ambony dia ambony,
6  ary saika hisetra izay faran'ny avo,
7  kanefa voadona, ka tsy afaka intsony-
8  naratra ny elany - ka indro izy lavo!

9  Naniry hihoatra anao, ry masoandro
10  mazava! Naniry tsy nijanona akory
11  na toa dia mandroso ho hariva aza ny andro:
12  ny alina tamy ary koa sorisory!

13  Koa aizina anio re no sisa mamonto,
14  aizi-mitambatra sy mivangongo...
15  Rotsiako mangina ny foko efa donto,
16  ary safosafoiko ny masoko bongo!

17  A! toa efa hionona izany alahelo...
18  Sy hafeniko mba hijanona angaha?
19  O tsia! fa ny sentoko mamelovelo,
20  ary izaho tsy mandre afa-tsy fofon-dra!

Nohavaozina tamin' ny 2024/11/25