Teny iditra | Rapatsalahy José Paul | |
Singan-teny | Rapatsalahy ; José ; Paul | |
Sokajin-teny | anaran-tsamirery (olona) | |
Fanazavàna teny malagasy | Mpianatr' i "Bahut" (Lycée Galliéni) hatramin' ny farany izy, ka rahefa nahazo ny Baccalauréat "Philo" dia toa efa "voasoratra" handimby an-drainy teo amin' ny sehatry ny fanaovan-gazety. Nandia ny Sekoly Ambony momba ny "Journalisme" teto an-toerana, nanohy izany tany Amerika, ary nandalina farany tany Paris. Ary dia tsaroana ny nandalovany taona maromaro tao amin' ny Televisiona Malagasy, izay mbola teo am-piandohany tokoa tamin' izany fotoana izany. Nisy marika napetrany tao... Sady nidodi-doha nandray andraikitra teto amin' ny Imprimerie Takariva izy, no toa mbola "voasoratra" ihany koa hamokatra tatara toa-an-drainy. Dia tantara valo no vokatry ny fikirizany. [1.307] | |
Asa navoany | Andry – Ady Saritaka Andry – Aloka ML3 Andry – Eva Takalon' Aina Andry – Mpikarama an' Ady Andry – Rongonin' Avara-pi... Andry – Rotaka Maty Paika Andry – Vazimban' Ambato Andry – Vohitry ny Horohoro | |
Nohavaozina tamin' ny 2023/11/20 |