Teny iditra sarahina (saraka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Tsy akambana, hatahina mba tsy hikambana, avahana: Tokony hosarahina amin' ny ahidratsy ny vary
Tsy avala hiaraka, tsy ampiarahina: Taloha nosarahina tany am-pianaranany zazalahy sy ny zazavavy
Ahataka: Saraho ireo ankizy miady ireo
Faritana: Sarahin' ny renirano iray ireo faritany roa ireo
Elanelanina: Sarahin' ny tendrombohitra roa ambin' ny folo isika nefa tsy mifanadino [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be separated [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on sépare [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : sarahina, sarahiko, sarahinao, sarahiny, sarahintsika, sarahinay, sarahinareo, sarahin', sarahin-, sarahim-, sarahi-
Ny lasa : nosarahina, nosarahiko, nosarahinao, nosarahiny, nosarahintsika, nosarahinay, nosarahinareo, nosarahin', nosarahin-, nosarahim-, nosarahi-
Ny hoavy : hosarahina, hosarahiko, hosarahinao, hosarahiny, hosarahintsika, hosarahinay, hosarahinareo, hosarahin', hosarahin-, hosarahim-, hosarahi-
Filaza mandidy : saraho

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20