|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  silaka
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 potika, sombina, vaky, tapaka
4 triatra, na vaky: Silaka ny nifiko
5 menatra: Silaka aho notenenin' ny lehibe teo imason' ny mpiara-miasa [1.1]

Teny iditra (2/3) 6  silaka
Sokajin-teny  7  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  28 hazo na vy asisika eo amin' ny hazo efa natomboka hotsofaina mba tsy hanery ny tsofa, na tsofoka eo anelanelan' ny vato ka velezina mba hahavaky ilay vato
29 Ny potiny na sombiny avy amin' ny zavatra novakina na vaky: Sila-mofo [1.1]
30 sombiny [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  31 a splinter, a small piece split off [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  32 éclat de bois, pierre qui s'écaille ou se sépare [1.8]
Ohatra  33  Samy mitana (mihazona) silaka voankena tsirairay ireo. [2.245#]
34  Izy ireo no tena foko feno fa ny sisa toa silaka foko ihany avokoa na ambiny aza. [2.606#]
Fikambanana  35  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny hoe silaka

Teny iditra (3/3) 36  silaka
Sokajin-teny  37  anarana
Fanazavàna teny frantsay  38 partie: Silaka tontolon'i X = E [n] (Partie de X = E [n]) [1.13]
Voambolana  39  Matematika
Fikambanana  40  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 8 misy ny teny hoe silaka

Fivaditsoratra  41 lakasy, 42 Lakisa, 43 salaky, 44 salika, 45 sikala, silaka

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/20