Teny iditra | 1 tokotany |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Ny tany manodidina ny trano miorina na ny fasana: Tokotanim-pasana Tany voafaritra -- ary matetika aza voafefy -- miankina amin' ny trano iray, ka atao hilalaovan' ny ankizy: Ndeha milalao any an-tokotany! a) Ny ankevitry ny tombam-bidin' ny zavatra iray: Tsy mihoatra ny iray alina ny tokotanim-barotr' io olona io. -b) Antoka: Ny karaman' ny mpiasa iray volana ity mbola tsisy tokotaniny akory. -d) Faritra: Tsy dia manahoana ny tokotanimpahaizan' io tovolahy io. -e) Fitambarana: Tsotra nefa mendrika ary mahatehotia ny tokotanin' endriny. -f) Ny loko hita ho be indrindra amin' ny sary izay misy loko maro: Inona no lokon' ny tokotanin' ilay akanjonao vaovao izay? Misy sarim-boninkazo fotsy sy mavo, fa manga ny tokotaniny |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] the yard around a house; grounds |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.8] cour |
Tsipelina hafa | 6 kototany |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 8 Ohabolana misy io teny tokotany io |
Fivaditsoratra | 9 atotokin, kototany, natotoky, tokotany, tontaiko |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |