Teny iditra trandraka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fiasana tany amin' ny angady, fihadiana tany
Fikarohana amin' ny alalan' ny famotopotorana. [1.1]
Sampanteny 
 

Teny iditra trandraka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Biby antonontoniny ohatra ny voalavo, lavalava mitsokotsoko ny vavany ary mahery tahaka ny tsilo ny volony (toy izao ny fomba fiainan' ny trandraka: milevina indray mandeha isan-taona ao anaty lavany izy ka tapitra orana no misitrika izy ary tsy mivoaka raha tsy efa midon-tokana indray; kankana trongisiny amin' ny vavany no haniny) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Tail-less tenrec ( Tenrec ecaudatus) [5.en.https://www.tenrec.org]
Fanazavàna teny frantsay Tenrec commun ( Tenrec ecaudatus) [4.22, 5.fr.https://www.tenrec.org]
 Grand tenrec, tangue [5.fr.https://www.tenrec.org]
  [Sakalava-Mayotte] Hérisson [1.405]
Fanazavàna teny alemà Großer Tanrek [5.de.https://www.tenrec.org]
Anarana siantifika Tenrec ecaudatus
Ohatra 
1Raha tsy mahazo toky tsy an-dava-bato ny trandraka. [2.245]
2"Dia anao ny tany fangalan' akanga, fangalan' tsipoy fangalan' orana, fangalan' trandraka, " hoy Andriainasinavalona. [2.48]
Voambolana 
Tovy hevitra kelora
Anaram-biby 
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31