Teny iditra tsindronina (tsindrona)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Loahana na asiana amin' ny lohan-javatra maranitra: Notsindronin' Ikoto tamin' ny fitrebika ny omby ka nitroatra
Trobahana amin' ny fanjaitra loaka fidiran' ny fanafody: Notsindronin' ny Dokotera ny zandrinay nanavy omaly [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tsindronina, tsindroniko, tsindroninao, tsindroniny, tsindronintsika, tsindroninay, tsindroninareo, tsindronin', tsindronin-, tsindronim-, tsindroni-
Ny lasa : notsindronina, notsindroniko, notsindroninao, notsindroniny, notsindronintsika, notsindroninay, notsindroninareo, notsindronin', notsindronin-, notsindronim-, notsindroni-
Ny hoavy : hotsindronina, hotsindroniko, hotsindroninao, hotsindroniny, hotsindronintsika, hotsindroninay, hotsindroninareo, hotsindronin', hotsindronin-, hotsindronim-, hotsindroni-
Filaza mandidy : tsindrony

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05