Teny iditra vakina (vaky)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Potehina: Novakin' ny ankizy ny fitaratray
Tresahina, sasahina: Vakio roa io hazo fisaka io
Simbana, ravana, robaina: Novakin' ny sasany ny tranony
Lalovana eo afovoany: Vakin' ny arabe migodana ny tanànanay
Aseho ho fantatry ny be sy ny maro: Novakin' ny fokonolona teo anatrehan' ny mpitsara ilay mpangalatra
Saratsarahina ny teny voasoratra mba hahazoana ny hevitra lazainy: Vakio ireo teny amin' ny petadrindrina ireo. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on fend dans le sens de la longueur, qu’on casse
Qu’on traverse
Qu’on met en déroute
Qu’on accuse [1.3]
Ohatra 
1Vilia tsara dia tsara no novakin' ilay adala (Cet imbécile a cassé une assiette magnifique) [1.3]
2Novakinay ny ala manontolo (Nous avons traversé toute la forêt) [1.3]
3Tsy azo vakina ity soratra ity (On ne peut pas lire cette écriture, cette écriture est illisible) [1.3]
4Novakinay teo anatrehan'ny mpitsara ny mpangalatra (Nous avons accusé le voleur auprès des juges) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : vakina, vakiko, vakinao, vakiny, vakintsika, vakinay, vakinareo, vakin', vakin-, vakim-, vaki-
Ny lasa : novakina, novakiko, novakinao, novakiny, novakintsika, novakinay, novakinareo, novakin', novakin-, novakim-, novaki-
Ny hoavy : hovakina, hovakiko, hovakinao, hovakiny, hovakintsika, hovakinay, hovakinareo, hovakin', hovakin-, hovakim-, hovaki-
Filaza mandidy : vakio
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/24