Teny iditra zahatra
Sokajin-teny anarana
Tovy hevitra ara-paritany godony, kodony, lakakihefo, lakatalatala, zahatra, zahatse, zahitra, zahitre
Fanazavàna teny malagasy Vatan-kazo na volotsangana lehibe maromaro akambana ka atao solon-dakana fitana rano: Nita tamin'ny zahatra ny mpianatra ka horakoraka moa izao! [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A raft [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Radeau [1.3, 1.8]
Ohatra 
1Koa dia ny tafontrano no niendahany natao zahatra. [2.508]
2Tapatapa-karefo momba zahatra tapatapa-jozoro momba lakana sarony aho fa kely angalaro fitia aho fa an'olona [2.131]
3Foana ny fiainana tsy misy azy, ary toy ny zahatra avalan' ny rano ny olombelona tsy voizin' izany fitiavana izany. [2.529]
Voambolana 
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/20