|
|
|
|

Teny iditra1  Hiram-betsovetso
Sokajin-teny  2  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  3  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  4  Ny Avana
Lahatsiratra manontolo 
5  Soratako ny hirako
6  Aty an-tsisin-tany
7  Ka izy no mba irako
8  Hanony izay tomany.

9  Ô! hira tsy marevaka
10  Fa kalon'olona ory;
11  Malako sy malefaka,
12  Fanaoko raha hatory.

13  Ka eo am-baravarana io
14  No maka rotsirotsy,
15  Injay manarangarana
16  Ny tara-bolafotsy,

17  Ny kintana eny an-danitra,
18  Indreo mangalahala;
19  Mitopy sady manitra
20  Ny rivotra ao an'ala.

21  Ny zava-manodidina
22  Manomboka ho sina;
23  Ny saiko, injay misidina,
24  Miakatra mangina!

25  Ka eny am-pitazanana
26  Ny zava-tsinjo eny,
27  Ny foko tsy haiko tanana,
28  Mivetso an'izy ireny!

29  Izato habakabaka
30  Mirentin-kazavana ,
31  Madio mangabakabaka ,
32  Tsy hita fiafarana!

33  Tsy azoko refesina,
34  Tsy takatry ny loha,
35  Fa satriko hoventesina,
36  Kaloiko mialoha.

37  Ny kintana alinalina,
38  Mambabo ny fanahy,
39  Mandravaka ny alina,
40  Manetsiketsika ahy!

41  Mba kely fa mamiratra
42  O! toy ny tamaboha ,
43  Kanefa mampihiratra
44  Ny vetsovetson-doha!

45  Raha ory ny fisainana,
46  Banjiniko izy ireny:
47  Ny ora itarainana,
48  Mba lefy ho azy eny!

49  Raha vonto ny takolaka,
50  Na maloka ny tava,
51  Malemy sady folaka
52  Ny sento lalandava!

53  Ny volana zahavana:
54  Malefa-kafahafa,
55  Toa maso be fitiavana,
56  Maniry hifanantsafa .
57  Injay somparan-drahona
58  Ny tavany efa feno:
59  Izaho koa miahona,
60  Ny hirako tsy heno.

61  Tsaroako fa manjombona
62  Na izy na ny foko,
63  Satria izahay miombona,
64  Miara-mitakoko.

65  Matetika eo no lasana
66  Ny sentosentom-po!
67  Tadidy ny any am-pasana,
68  Ny tiana efa lo:

69  Ny kibo nifonosana,
70  Ny Dada niangotiana,
71  Ny zokiko nofosana,
72  Ny zandry kely tiana!

73  Dia tonga manororika
74  Itony maso itony!
75  Ny lohako miondrika,
76  Tsy mahatraka intsony!

77  Fa nony mangoratsaka,
78  Ka tsinjo ny hazavany,
79  Ny sento tafalatsaka
80  Misinda lavitra any!

81  Mazava mangorobaka
82  Tafiditra any am-po!
83  Ka hery be mitobaka
84  Mandroaka ny manjo!

85  Ny tsilo be maranitra
86  Manevika eto an-tany,
87  Dia hita fa io ny Lanitra,
88  Mpanafaka an'izany!

89  Impiry ny Fanahiko
90  Zay noratrain'ireny
91  No lasana nirahiko
92  Nandranto aina teny?

93  Ny Tany mihorakoraka
94  Raha lavony eo ianao!
95  Ny Lanitra mangoraka,
96  Manafy hery vao.

97  Ny maso ampakarina,
98  Ry havako tomany,
99  Lazaiko marimarina
100  Fa maina ho azy izany!

101  Fa tody izao ny irako
102  Taty an-dafin-tany;
103  Ka enga anie ny hirako
104  Hanony izay tomany!

Nohavaozina tamin' ny 2024/11/25