|
|
|
|

Teny iditra1  Ianareo ... izahay
Sokajin-teny  2  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  3  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  4  Rakotomalala Henri
Lahatsiratra manontolo 
5  Ianareo rorampison' Angavokely,
6  Izahay erikerik'Ankaratra,
7  Ka na tsy tondraka aza,
8  Mahavonto tany!

9  Ianareo mafikely lava taho,
10  Izahay vonin'avoko malefolefo;
11  Raha jejo loha ny any,
12  Izahay kely ihany fa mamerovero.

13  Tsy mitambitamby amin'ny tsimperifery izahay
14  Fa manana sakay tsara fefy;
15  Ary tsy mitomany volo oly
16  Fa manana mpandrandrana mahay.

17  Koa aza fady, Raondriana,
18  Fa raha safomorona ny fampitambazana,
19  Ny anay efa nitobaka ela;
20  Raha ritra ny rano tan-dobo,
21  Ny anay efa tsisy tavela.
22  Ny farihy tankina, hono,
23  Ny fotoka no manjaka;
24  Fa ny loharano an-dohasaha kosa,
25  Raha lasa ny iray, roa no avy mantsaka!
26  Koa kopa-damba malefaka no ataoko,
27  Fa raha hitsikitsika mahay mandihy ianareo,
28  Izahay voromanga mahay mihira,
29  Ka zato sy arivo manao " midira "
30  Na ny eto akaiky na an-dakira!
31  .....................

32  Ianareo haba ihaingoan'ny jefy,
33  Izahay volamena tsy mety lefy!
34  .....................

35  Koa samia masina an-taniny,
36  Fa ianareo vatosoa manja fanjelatra,
37  Izahay diamondra soa hazavana.
38  Koa veloma mahalankalana, Rasena,
39  Fa raha fintana tsy azo idirana ianareo,
40  Izahay tandroho tsara Jadina tsy azo resena !

Nohavaozina tamin' ny 2024/11/25