|
|
|
|

Teny iditra1  Kintana mamony
Sokajin-teny  2  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  3  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  4  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo 
5  Indro indray ianao, ry lanitra,
6  ngalingaly ery fa tony.
7  Satrinay hanentona hanitra
8  'reto kintana mamony!

9  Fa baliaka dia baliaka,
10  mipendrampendrana aok'izany,
11  toa manantsika , sariaka,
12  saingy lavitra ny tany.

13  Ireo e ny voninkazo
14  nofinay ka ho azo,
15  fa dia eny no andrandraina !

16  tsy hanintsana doria!
17  Moa ny masonay tia,
18  raha hahirina hangaina ?

Nohavaozina tamin' ny 2024/11/25