|
|
|
|

Teny iditra1  Takariva am-pivahiniana
Sokajin-teny  2  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  3  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  4  Dox
Lahatsiratra manontolo 
5  Iny teheza-bohitra iny mahalasa vinaniko
6  Am'ireo alaalany ary vatolampy aminy,
7  Am'izato lohasaha sy tanimbary ety ambaniny...
8  Lavitra tokoa manko ankehitriny izany taniko!

9  Dify any ny masoandro.
10  Ny aloka iny tafandriana.
11  Taratry ny vodilanitra sisa loko amin'ny rano.
12  Mipololotra manga ireny ny setroka eny an-tafontrano,
13  Manetsika embona ao am-pon'ity am-pivahiniana…

14  Mihamanga ihany ny aloka; miady sisina ny loko
15  Mangina eny rehetra eny… Mangina koa ny ao am-poko...
16  Aloka mamelovelo! Fahanginana oriory!

17  Eto ambody aviavy no iainako an'izany.
18  Mifandrindra amin'ny foko izato alahelon-tany!
19  Ny embonembona avy eto misy ho nofy raha matory...

Nohavaozina tamin' ny 2024/11/25