|
|
|
|

Teny iditra1  Tsy hodinganina ny maty
Fototeny  2  dingana, faty
Sokajin-teny  3  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  4  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  5  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo 
6  Hotapahintsika tohy amintsika ve ny maty
7  Fa variana miaina isika ? Tsia fa tsapantsika anaty
8  Ny fitohizantsika aminy... sady isika taizany aza,
9  Novolainy fahavelona, notezainy fahazaza !

10  Na ny maty na ny velona, mpianakavy iray ihany !
11  Mbola homba antsika ihany ireo efa nody tany,
12  Misy trosantsika aminy, nefa izany dia ho efaina
13  Amin’ny taranatsika : izay no fitohizan’aina !

14  Nanaovan-dalana isika ka tsy maintsy hanao lalana !
15  Nananganana tanàna ka tsy hahazo hialangalana,
16  Namelana fahendrena ka tsy maintsy hamela hafatra,

17  Mba ho anatry ny velona, ireo maty dia miteny
18  Moa avela ho faty maso, sanatria, ny fahendreny ?
19  Tsy hodinganina ny maty amin’ny tohatoha-miakatra

Nohavaozina tamin' ny 2024/11/25