|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  volan-tsinana
Singan-teny  2  volana, tsinana
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny frantsay  4  [1.3] les premiers jours de la lune
croissant
Ohatra  5  [2.996]
Voambolana  6  Haikintana
Kamban-teny 

Teny iditra (2/3)8  volan-tsinana
Sokajin-teny  9  anarana
Fanazavàna teny frantsay  10  [1.3] demi-cercle
Ohatra  11  [2.996]
Voambolana  12  Matematika: rafitsary

Teny iditra (3/3)13  Volan-tsinana
Singan-teny  14  volan-tsinana
Sokajin-teny  15  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  16  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  17  Razafintsalama Josefa
Lahatsiratra manontolo 
18  Raha nisoka, natao tsy hiverina;
19  nony maty, natao tsy hiposaka,
20  kanjo io ihany io mitsingerina,
21  fa ny zava-malefa-pitosaka ;
22  fisehoany dia mihelontrelona ,
23  fa mitsidi-mitranga milentika
24  ary impito no maty ka velona
25  fa tsy tena dia lasa mirendrika
26  iry volan-tsinana andrefana
27  mahalala fotoam-piherenana!

28  Samy faly no sady finaritra,
29  ka indreny miainga mirohotra
30  eo an-kianja hikorana maharitra
31  ireo maro kilonga isam-bohitra;
32  fa ny zaza kamboty, manjonitra,
33  mahatsiahy ilay kibo nitoerana
34  sy ny ray nanao sikim-ponitra ,
35  faingy hani-mandalo miserana
36  toraka io volan-tsinana andrefana,
37  tsy mandika fotoam-piherenana.
38  Ireo hazo amoron'ny tevana
39  velon-tsento mangina tarafiny,
40  fa ny sainy he! mihevangevana
41  ka maniry azy io hotahafiny...
42  Dia voavetso ny ela nilaozana,
43  ka ny endrika, bika, nananana,
44  no tanian-kimpody , hiaranana
45  toraka io volan-tsinana andrefana
46  tsy mandiso fotoam-piherenana!

Fivaditsoratra  47  nantsoavalin, notsivalanan, volan-tsinana, Volan-tsinana

Nohavaozina tamin' ny 2024/11/25