<-
->

Est 1:1 Now it came to pass in the days of Ahasuerus, (this is Ahasuerus which reigned, from India even unto Ethiopia, over an hundred and seven and twenty provinces:) Ary tamin' ny andro nanjakan' i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany), Tamin' ny andron' i Asoerosa, ilay Asoerosa nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, tamin' ny faritany fito amby roapolo amby zato, C'était au temps d' Assuérus, cet Assuérus dont l' empire s'étendait de l' Inde à l' Ethiopie, soit sur 127 provinces.
Est 1:2 That in those days, when the king Ahasuerus sat on the throne of his kingdom, which was in Shushan the palace, dia tamin' izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin' ny seza fiandrianan' ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka, raha ilay nipetraka teo amin' ny seza fiandrianan' ny fanjakany iny Asoerosa mpanjaka, tao Sosa, renivohiny, En ce temps-là, comme il siégeait sur son trône royal, à la citadelle de Suse,
Est 1:3 In the third year of his reign, he made a feast unto all his princes and his servants; the power of Persia and Media, the nobles and princes of the provinces, being before him: tamin' ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an' ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben' ny miaramilan' i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin' ireo komandin' ny isan-tokony amin' ny fanjakany; dia nanao fanasana ho an' ny andriandahy amam-pandraharahany rehetra, tamin' ny taona fahatelo nanjakany. Tafavory teo anatrehany avokoa ny lehiben' ny foloalindahin' ny Persa sy ny Meda, ny lehibe sy governora isam-paritany: la troisième année de son règne, il donna un banquet, présidé par lui, à tous ses grands officiers et serviteurs chefs de l' armée des Perses et des Mèdes, nobles et gouverneurs de provinces.
Est 1:4 When he shewed the riches of his glorious kingdom and the honour of his excellent majesty many days, even an hundred and fourscore days. ary nasehony andro maro, dia valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahalehibiazany. ary tamin' izay no nanamparany teo anatrehany ny voninahitry ny fanjakany tapitra hoatra sy ny famirapiratry ny fahalehibeazany kanto loatra, nandritra ny andro marobe, dia valopolo amby zato andro. Il voulait étaler à leurs yeux la richesse et la magnificence de son royaume ainsi que l'éclat splendide de sa grandeur, pendant une longue suite de jours, exactement 180.
Est 1:5 And when these days were expired, the king made a feast unto all the people that were present in Shushan the palace, both unto great and small, seven days, in the court of the garden of the king' s palace; Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan' ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin' ny kianjan' ny tanimbolin' ny tranon' ny mpanjaka; Nony tapitra ireo andro ireo, nanao fanasana naharitra hafitoana ny mpanjaka, tao an-kianjan' ny zaridainan' ny tranon' ny mpanjaka, ho an' ny vahoaka rehetra, izay tao Sosa renivohiny, hatramin' ny kely indrindra ka hatramin' ny lehibe indrindra. Ce temps écoulé, ce fut alors toute la population de la citadelle de Suse, du plus grand au plus petit, qui se vit offrir par le roi un banquet de sept jours, sur l' esplanade du jardin du palais royal.
Est 1:6 Where were white, green, and blue, hangings, fastened with cords of fine linen and purple to silver rings and pillars of marble: the beds were of gold and silver, upon a pavement of red, and blue, and white, and black, marble. ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin' ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin' ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin' ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty. Nisy lamba temitra fotsy sy maitso ary manga teo, nifehy teo amin' ny masom-bolafotsy amin' ny kofehy rongony fotsy sy jaky tamin' ny andry marbra; nisy farafara volamena sy volafotsy nalahatra teo amin' ny lampivato porfira, marbra fotsy, hara, ary marbra mainty. Ce n'étaient que tentures de toile blanche et de pourpre violette attachées par des cordons de byssus et de pourpre rouge, eux-mêmes suspendus à des anneaux d' argent fixés sur des colonnes de marbre blanc, lits d' or et d' argent posés sur un dallage de pierres rares, de marbre blanc, de nacre et de mosaïques!
Est 1:7 And they gave them drink in vessels of gold, (the vessels being diverse one from another,) and royal wine in abundance, according to the state of the king. Ary ny olona dia nampisotroina tamin' ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary betsaka ny divain' andriana araka ny fanomen' ny mpanjaka. Kapoaka volamena samihafa endrika, no nampisotroana ny olona, ary be ny divaim-panjakana naroso, fa malala-tànana ny mpanjaka. Pour boire, des coupes d' or, toutes différentes, et abondance de vin offert par le roi avec une libéralité royale.
Est 1:8 And the drinking was according to the law; none did compel: for so the king had appointed to all the officers of his house, that they should do according to every man' s pleasure. Ary ny nisotroan' ny olona dia araka ny tenin' andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian' ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan' ny olona araka izay sitrapony avy. Araka ny didy dia samy nisotro tsy nisy nanery ny olona, satria araka ny nandidian' ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony, dia izay sitra-pon' ny olona nasaina tsirairay avy no harahina. Le décret royal toutefois ne contraignait pas à boire, le roi ayant prescrit à tous les officiers de sa maison que chacun fût traité comme il l' entendait.
Est 1:9 Also Vashti the queen made a feast for the women in the royal house which belonged to king Ahasuerus. Ary Vasty, vadin' ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an' ny vehivavy koa tao amin' ny tranom-panjakana, izay an' i Ahasoerosy mpanjaka. Vastì, mpanjakavavy koa, nanao fanasana ho an' ny vehivavy, tao amin' ny tranom-panjakan' i Asoerosa mpanjaka. La reine Vasthi, de son côté, avait offert aux femmes un festin dans le palais royal d' Assuérus.
Est 1:10 On the seventh day, when the heart of the king was merry with wine, he commanded Mehuman, Biztha, Harbona, Bigtha, and Abagtha, Zethar, and Carcas, the seven chamberlains that served in the presence of Ahasuerus the king, Ary tamin' ny andro fahafito, nony faly ny fon' ny mpanjaka azon' ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ary Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan' i Ahasoerosy mpanjaka, Tamin' ny andro fahafito, raha ilay faly azon' ny divay iny ny fon' ny mpanjaka, dia nomeny teny izy fito lahy eonoka, Maomàna, Bazatà, Harbonà, Bagatà, Abgatà, Zetara ary Karkasa, izay nanompo teo anatrehan' i Asoerosa, Le septième jour, mis en gaîté par le vin, le roi ordonna à Mehumân, à Bizzeta, à Harbona, à Bigta, à Abgata, à Zétar et à Karkas, les sept eunuques attachés au service personnel du roi Assuérus,
Est 1:11 To bring Vashti the queen before the king with the crown royal, to shew the people and the princes her beauty: for she was fair to look on. mba hitondra an' i Vasty, vadin' ny mpanjaka, ho eo anatrehan' ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin' ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy. hitondra an' i Vastì, mpanjakavavy voasatroka diadema, ho eo anatrehany mba haneho ny hatsarany amin' ny vahoaka sy ny lehibe, fa tsara tarehy izy. de lui amener la reine Vasthi coiffée du diadème royal, en vue de faire montre de sa beauté au peuple et aux grands officiers. Le fait est qu' elle était très belle.
Est 1:12 But the queen Vashti refused to come at the king' s commandment by his chamberlains: therefore was the king very wroth, and his anger burned in him. Fa Vasty, vadin' ny mpanjaka, nandà ny tenin' ny mpanjaka nentin' ny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany. Nolavin' i Vastì mpanjakavavy anefa ny manaiky ny tenin' ny mpanjaka nentin' ny eonoka, ka tezitra mafy sy nirehi-pahatezerana ny mpanjaka. Mais la reine Vasthi refusa de venir selon l' ordre du roi que les eunuques lui avaient transmis. L' irritation du roi fut extrême et sa colère s' enflamma.
Est 1:13 Then the king said to the wise men, which knew the times, (for so was the king' s manner toward all that knew law and judgment: Dia hoy ny mpanjaka tamin' ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan' ny mpanjaka teo anatrehan' izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana; Dia niteny tamin' ireo olon-kendry izay manam-pahaizana ny andro ny mpanjaka, fa toy izany no vanaovana ny raharahan' ny mpanjaka teo anatrehan' izay rehetra mahalala ny lalàna sy ny rariny. Il s' adressa aux sages versés dans la science des lois car c' est ainsi que les affaires du roi étaient traitées, en présence de tous ceux qui étaient versés dans la science de la loi et du droit.
Est 1:14 And the next unto him was Carshena, Shethar, Admatha, Tarshish, Meres, Marsena, and Memucan, the seven princes of Persia and Media, which saw the king' s face, and which sat the first in the kingdom;) ary ny teo akaikiny dia Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin' i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin' ny mpanjaka ka nipetraka tamin' ny fitoerana aloha teo amin' ny fanjakana): Ary ny nanakaiky azy indrindra, dia izy fito lahy, andriandahin' i Persa sy Media, Karsena, Setara, Admatà, Tarsisa, Maresa, Marsanà ary Mamokàna, izay nahita ny tavan' ny mpanjaka, sy nitana ny laharana voalohany teo amin' ny fanjakana. Il fit venir près de lui Karshena, Shétar, Admata, Tarshish, Mérès, Marsena et Memukân, sept grands officiers perses et mèdes admis à voir la face du roi et siégeant aux premières places du royaume.
Est 1:15 What shall we do unto the queen Vashti according to law, because she hath not performed the commandment of the king Ahasuerus by the chamberlains? Ahoana no hanaovana an' i Vasty, vadin' ny mpanjaka, raha araka ny lalàna, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentin' ny tsindranolahy izy? Lalàna inona, hoy izy, no hahàtra amin' i Vastì mpajakavavy, noho ny tsy nanekeny ny didin' i Asoerosa mpanjaka izay nomeny azy tamin' ny alalan' ny eonoka? "Selon la loi, dit-il, que faut-il faire à la reine Vasthi pour n' avoir pas obtempéré à l' ordre du roi Assuérus que les eunuques lui transmettaient?"
Est 1:16 And Memucan answered before the king and the princes, Vashti the queen hath not done wrong to the king only, but also to all the princes, and to all the people that are in all the provinces of the king Ahasuerus. Dia namaly Memokana teo anatrehan' ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin' ny mpanjaka ihany no nanaovan' i Vasty, vadin' ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa tamin' ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran' ny fanjakan' i Ahasoerosy mpanjaka; Dia izao no navalin' i Mamokàna teo anatrehan' ny mpanjaka sy ny andriandahy: Tsy tamin' ny mpanjaka ihany no nanao ratsy Vastì mpanjakavavy, fa tamin' ny andriandahy rehetra, mbamin' ny vahoaka rehetra, izay eny amin' ny faritanin' Asoerosa mpanjaka rehetra koa. Et en présence du roi et des grands officiers Memukân répondit : "Ce n' est pas seulement contre le roi que la reine Vasthi a mal agi, c' est aussi contre tous les grands officiers et contre toutes les populations répandues à travers les provinces du roi Assuérus.
Est 1:17 For this deed of the queen shall come abroad unto all women, so that they shall despise their husbands in their eyes, when it shall be reported, The king Ahasuerus commanded Vashti the queen to be brought in before him, but she came not. fa hiely any amin' ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon' ny vadin' ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an' i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy. Fa ho fantatry ny vehivavy rehetra izao nataon' ny mpanjakavavy izao, ka hahatonga azy haniratsira ny vadiny isany, hanao hoe: Asoerosa mpanjaka nandidy ny hitondrana an' i Vastì mpanjakavavy ho eo anatrehanay, nefa tsy nankeo izy. La façon d' agir de la reine ne manquera pas de venir à la connaissance de toutes les femmes, qui regarderont leur mari avec mépris. Le roi Assuérus lui-même, pourront-elles dire, avait donné l' ordre de lui amener la reine Vasthi, et elle n' est pas venue!
Est 1:18 Likewise shall the ladies of Persia and Media say this day unto all the king' s princes, which have heard of the deed of the queen. Thus shall there arise too much contempt and wrath. Ary na dia amin' izao andro izao aza ny andriambavin' i Persia sy Media, izay mandre ny nataon' ny vadin' ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin' ny mpanapaka rehetra voatendrin' ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana. Ka hatramin' izao anio izao ihany, ny andriambavin' i Persa sy Media handre izao nataon' ny mpanjakavavy izao, dia hilaza azy amin' ny andriandahin' ny mpanjaka rehetra, ka ho faniratsirana aman-katezerana be no hitranga. Aujourd' hui même les femmes des grands officiers perses et mèdes vont parler à tous les grands officiers du roi de ce qu' elles ont appris de la façon d' agir de la reine, et ce sera grand mépris et grande colère.
Est 1:19 If it please the king, let there go a royal commandment from him, and let it be written among the laws of the Persians and the Medes, that it be not altered, That Vashti come no more before king Ahasuerus; and let the king give her royal estate unto another that is better than she. Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin' ny mpanjaka ka hosoratana ao amin' ny lalàn' i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan' i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr' i Vasty dia aoka homen' ny mpanjaka ho an' izay vehivavy hafa tsara noho izy. Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hisy didim-panjaka, haely hatraiza hatraiza amin' ny anarany, sady hosoratana ao amin' ny lalàn' ny Persa sy ny Meda, tsy ho azo dikaina, milaza fa tsy hiseho eo anatrehan' i Asoerosa mpanjaka intsony Vastì mpanjakavavy, ary ny voninahitra hoe mpanjakavavy dia homen' ny mpanjaka ny vehivavy hafa tsaratsara kokoa noho izy. Si tel est le bon plaisir du roi, qu' un édit émané de lui s' inscrive, irrévocable, parmi les lois des Perses et des Mèdes, pour interdire à Vasthi de paraître en présence du roi Assuérus, et que le roi confère sa qualité de reine à une autre qui vaille mieux qu' elle.
Est 1:20 And when the king' s decree which he shall make shall be published throughout all his empire, (for it is great,) all the wives shall give to their husbands honour, both to great and small. Ary raha torina eran' ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn' ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra. Fa rahefa tafaely eran' ny fanjakany ny didin' ny mpanjaka, dia samy hanaja ny vadiny avy ny vehivavy rehetra, hatramin' ny lehibe indrindra ka hatramin' ny kely indrindra. Puis l' ordonnance portée par le roi sera promulguée dans tout son royaume, qui est grand, et lors les femmes rendront honneur à leur mari, du plus grand jusqu' au plus humble."
Est 1:21 And the saying pleased the king and the princes; and the king did according to the word of Memucan: Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin' i Memokana ny mpanjaka, Sitraky ny mpanjaka sy ny andriandahy izany hevitra izany, ka dia nanao araka ny tenin' i Mamokàna ny mpanjaka. Ce discours plut au roi et aux grands officiers, et le roi suivit l' avis de Memukân.
Est 1:22 For he sent letters into all the king' s provinces, into every province according to the writing thereof, and to every people after their language, that every man should bear rule in his own house, and that it should be published according to the language of every people. ka nampitondra taratasy izy ho any amin' ny isan-tokony amin' ny fanjakan' ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena. Nandefa taratasy ho any amin' ny faritaniny rehetra amin' ny fanjakany, nataony araka ny soratry ny isam-paritany avy, sy araka ny fitenin' ny isam-poko avy, nilaza fa ny lehilahy rehetra no tsy maintsy lohany ao an-tranony avy, ary izay fitenin' ny fireneny avy no hitenenany. Il envoya des lettres à toutes les provinces de l' empire, à chaque province selon son écriture et à chaque peuple selon sa langue, afin que tout mari fût maître chez lui.

<-
->