|
|
|
|

Teny iditra alevina (levina)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
 Asitrika, afenina, totofana ao anaty tany: Alevina ny vary vao mitsiry ~ Tany avaratra no nalevina ny fatin' Itompokolahy Ravala
Alentika ila ao anaty tany: Aleveno eto itỳ hazo itỳ ho famantarana [1.1]
 To be buried [1.7]
 Qu'on enterre [1.8]
Ohatra 
1Ka raha maty dia ao Ambohimanatrika no alevina. [2.508]
2Tokony alevina ao anaty lavaka lalina ny tainy. [2.424]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : alevina, aleviko, alevinao, aleviny, alevintsika, alevinay, alevinareo, alevin', alevin-, alevim-, alevi-
Ny lasa : nalevina, naleviko, nalevinao, naleviny, nalevintsika, nalevinay, nalevinareo, nalevin', nalevin-, nalevim-, nalevi-
Ny hoavy : halevina, haleviko, halevinao, haleviny, halevintsika, halevinay, halevinareo, halevin', halevin-, halevim-, halevi-
Filaza mandidy : aleveno

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/07