|
|
|
|

Teny iditra arakaraka (rakaraka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
 Ahaha ka atao toa misaritaka: Aza arakaraka toy izao ny volonao [1.1]
 To be dishevelled, to be loosened. [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : arakaraka, arakarako, arakarakao, arakarany, arakaratsika, arakarakay, arakarakareo, arakarak', arakara-
Ny lasa : narakaraka, narakarako, narakarakao, narakarany, narakaratsika, narakarakay, narakarakareo, narakarak', narakara-
Ny hoavy : harakaraka, harakarako, harakarakao, harakarany, harakaratsika, harakarakay, harakarakareo, harakarak', harakara-
Filaza mandidy : arakarakao

Teny iditra arakaraka (araka)
Sokajin-teny anarana
 Mifanentana amin' ny: Tokony hatao arakaraka ny fidiran' ny vola ny fandaniana azy [1.1]
 Reduplication of araka. A claim to recover one's own property when stolen: Raha misy arakaraka, dia hianao no arahiko (If any one has a claim [to what I am buying or taking], I look to you to make it good) [1.2]
Haiendriteny 
Tsotra : arakaraka, arakarako, arakarakao, arakarany, arakaratsika, arakarakay, arakarakareo, arakarak', arakara-

Teny iditra arakaraka
Sokajin-teny anarana
  [Betsimisaraka] Rantsan-kazo kelikely sady lava fandahoana akoho na alika miditra ao an-trano [1.78]

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/12