|
|
|
|

Teny iditra bado
Sokajin-teny mpamaritra
 Kely saina, donto saina, tsy ampy fiheverana, mora ambakaina. (Araka izany, dia tsy azo atao hoe bado ny tsy nahita fianarana fotsiny, satria mety ho manan-tsaina tokoa izy, fa ny fianarana no tsy hitany): Bado koa izany raha olona, itỳperatra volamena itỳ,' dia natakalony akanjo marevaka be soratra
Mitovy hevitra: mifanahin-jaza bado ~ mora amidy ~ olom-be ~ tsobe ~ tsotra loatra ~ tsy mahay olakolaka [1.1]
 Stupid; illiterate [1.7]
 Qui a l'esprit obtus, un peu bête [1.3]
 Stupide; illettré [1.8]
Ohatra 
1Lehibe Rasendrasoa, bado tokoa sady lava no vaventy: [2.48]
2Tsy te hiseho ho bado velona loatra izy, na dia nanitikitika azy aza ny eritreriny. [2.470]
Sampanteny 

Teny iditra bado
Sokajin-teny anarana
  [Tankarana] Nom d'une espèce de serpent; sorte de boa. [1.19]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/24