|
|
|
|

Teny iditra efaina (efa)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
 Vitaina: Asa tsy maintsy hefaiho anio ity
Tanterahina, lavorarina: Tsy maintsy efaina tsara izay atao, fa tsy atao kitoatoa ahory
Vidina, aloa vola: Nefaiko roapolo io
Onerana, averina: Tsy nanaiky aho raha tsy nefainy ny famantaranandroho nariany
Vonoina: Nefainy tamin' ny lefona ilay sambobelona naratra [1.1]
 To be accomplished [1.7]
 Qu'on finit, qu'on achève, qu'on tue [1.3]
 Qu'on termine [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : efaina, efaiko, efainao, efainy, efaintsika, efainay, efainareo, efain', efain-, efaim-, efai-
Ny lasa : nefaina, nefaiko, nefainao, nefainy, nefaintsika, nefainay, nefainareo, nefain', nefain-, nefaim-, nefai-
Ny hoavy : hefaina, hefaiko, hefainao, hefainy, hefaintsika, hefainay, hefainareo, hefain', hefain-, hefaim-, hefai-
Filaza mandidy : efao

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20