|
|
|
|

Teny iditra feo
Sokajin-teny anarana
 Izay ren' ny sofina avy amin' ny fipararetran' ny zavatra iray entin' ny rivotra ka tonga mipaika ny hozatra madinika kiritika kely ao amin' ny sofina: Samy hafa ny feon' ny vato sy ny an' ny vy velezina
(Misy zavatra telo tsara homarihina ny amin' ny feo: ny haavony, ny hamafiny, ary ny fikarantsany) [1.1]
 The voice, a sound, a report. [Ar. fa'a, blow, breath; and fuh, fih, fah, fum, all = Heb. peh, mouth. Comp. Gr. phemi, phasko, and Lat. fari.] [1.2]
 The voice. [Voambolana: ]
A sound. [Voambolana: ] [1.7]
 Voix, son, ton, bruit, cri: Reko ny feon' olona (J'entends la voix de quelqu'un) ~ Mahafinaritra ny feon' ny organa (Le son de l'orgue est magnifique) ~ Avo loatra ny feon' ity pitsofaoro ity (Le ton de ce diapason est trop élevé) ~ Re lavitra ny feon' ny tafondro (Le bruit du canon se fait entendre de loin) ~ Maharenin-tsofina ny feon' ireto ankizy ireto (Les cris de ces enfants étourdissent)
Figuré: le prix demandé: Raha mividy zavatra hianao, aza mihaino ny feom-baratra (Quand vous achetez quelque chose, ne faite pas attention au prix qu'on demande) [1.3]
 La voix. [Voambolana: ]
Un son. [Voambolana: ] [1.8]
Voambolana 
Ohatra 
1hoy ny feo henon-dRivo namaly azy. [2.529]
2Maharenina, hoy ny feo avon' Idada. [2.332]
3henoko feo, Dia feo mahatahotra, feo makadiry! [1.267]
Haiendriteny 
Tsotra : feo, feoko, feonao, feony, feontsika, feonay, feonareo, feon', feon-, feom-
Tovonana : -peo, -peoko, -peonao, -peony, -peontsika, -peonay, -peonareo, -peon', -peon-, -peom-

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/24