|
|
|
|

Teny iditra fitahina (fitaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
 Laingaina, ilazana tsy marina: Nofitahin' ialahy aho fa hay tsy tonga akory Rakoto dia nantsoin' ialahy aho
Ambakaina: Mba matahotra an' Andriamanitra fa aza ny adala no fitahina
Fetsena, angalarana an-kafetsena, solokina: Nofitahin' ilay karilahy iny ny raiko ka nahazoany vola roanjato [1.1]
 To be deceived, to be imposed on. [1.2]
 To be deceived, to be defrauded [1.7]
 Qu'on déçoit, qu'on trompe [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : fitahina, fitahiko, fitahinao, fitahiny, fitahintsika, fitahinay, fitahinareo, fitahin', fitahin-, fitahim-, fitahi-
Ny lasa : nofitahina, nofitahiko, nofitahinao, nofitahiny, nofitahintsika, nofitahinay, nofitahinareo, nofitahin', nofitahin-, nofitahim-, nofitahi-
Ny hoavy : hofitahina, hofitahiko, hofitahinao, hofitahiny, hofitahintsika, hofitahinay, hofitahinareo, hofitahin', hofitahin-, hofitahim-, hofitahi-
Filaza mandidy : fitaho

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20