|
|
|
|

Teny iditra fitsarana (tsara)
Sokajin-teny anarana
 Asan' ny saina manavaka ny marina sy ny diso, ny tsara sy ny ratsy; fandanjalanjana ny mety sy ny tsy mety: Aoka tsy hiady hevitra firy ianareo fa samy manana ny fitsarany zavatra ny olona rehetra
Fahefana napetraky ny fanjakana mampiseho izay rariny sy hitsiny amin' ny alalan' ny fandinihana sy fampiharana ny lalàna manamarina na manameloka: Efa niakatra fitsarana ny raharahan-dry Rabe sy Ranaivo
Toerana anaovana io fitsarana io: Lasa eny amin' ny Fitsarana i dada
Anarana nomena ny tangena fahizay. Misy ambaratonga telo ny fitsarana: ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny Fitsarana ambony (azon' izay resy tamin' ny voalohany angatahina hitsarana azy indray), ary ny fitsarana tampony (azon' izay resy tamin' ny faharoa angatahina hitsarana azy farany). Ny atao hoe Fitsarana avo kosa dia ny antoko-mpitsara miandraikitra ny fampanoavana ny Lalàm-panorenana [1.1]
 [Rel. s. from mitsara (tsara).] Judgment, the seat of judgment. [1.2]
 A judgement; a court of law [1.7]
 Le jugement, le lieu, le tanguin qui jugeait
L'aiguille placée au-dessus du fléau de la balance [1.3]
 Jugement; tribunal [1.8]
Voambolana 
Ohatra 
1Tsy very anjara koa ny fitsarana. [4.27]
2Ny Tangena no natao fitsarana farany. [2.508]
Lahatsoratra 

Teny iditra fitsarana
Sokajin-teny anarana
 (racine tsara). Au sens habituel : jugement. Nom qu'on donnait au tangena : Cerbera venenifera (Poir.) Steud. (Apocynaceae) quand il servait à pratiquer l'ordalie, le « jugement de Dieu » ; on disait aussi tangena-mitsara. [1.196]
Voambolana 
Anarana ara-tsiansa Cerbera venenifera
Tovy hevitra tangena-mitsara ~ tangenitsara

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/29