|
|
|
|

Teny iditra hafatra
Sokajin-teny anarana
 Teny apetraka amin' olona iray mba hampitainy amin' ny olon-kafa iray: Lasa nitondra hafatra izy
Torohevitra, didy, teny apetraka: Izao no hafatr' i Dada tamiko talohan' ny handehanany [1.1]
 A message [1.2, 1.7]
 A will, a testament, a request, an order for something. See didy. [1.2]
 A recommendation; an order for merchandise [1.7]
 Message; recommandation; commande de marchandise [1.3, 1.8]
 Commission [1.3]
Ohatra 
1fa izao no hafatra nataony: [2.293]
2Nifantoka mafy tao an-tsainy ny hafatra natao azy. [2.470]
3Ary nametrahana hafatra koa ka milaza. [2.472]
Haiendriteny 
Tsotra : hafatra, hafatro, hafatrao, hafany, hafatsika, hafatray, hafatrareo, hafatr', hafa-, hafatry

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/02