|
|
|
|

Teny iditra hozongozonina (hozongozona)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
 Hetsehina mafy ary imbetsaka: Nohozongozonin' ny ankizy ny hazo ka raraka ny voankazo
Hontsonina, ketrahina: Tsy azon' inona na inona hozongozonina ny finoany [1.1]
 To be shaken [1.7]
 Qu'on secoue, qu'on ébranle [1.8]
Ohatra 
1Irony vato, irony vato, irony vato ery Andrangavo : hozongozonina vao mihamafy, pararetina vao mihafatratra; [2.857]
2Eto amin' izao, tsy misy iolahana intsony, no hamosahan' ny Filôzôfia malagasy ny vatolampy tsy azo hozongozonina niorenan' ny finoany. [2.296]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : hozongozonina, hozongozoniko, hozongozoninao, hozongozoniny, hozongozonintsika, hozongozoninay, hozongozoninareo, hozongozonin', hozongozonin-, hozongozonim-, hozongozoni-
Ny lasa : nohozongozonina, nohozongozoniko, nohozongozoninao, nohozongozoniny, nohozongozonintsika, nohozongozoninay, nohozongozoninareo, nohozongozonin', nohozongozonin-, nohozongozonim-, nohozongozoni-
Ny hoavy : hohozongozonina, hohozongozoniko, hohozongozoninao, hohozongozoniny, hohozongozonintsika, hohozongozoninay, hohozongozoninareo, hohozongozonin', hohozongozonin-, hohozongozonim-, hohozongozoni-
Filaza mandidy : hozongozony

Nohavaozina tamin' ny 2024/08/16