|
|
|
|

Teny iditra izato (ito)
Sokajin-teny mpisolo anarana [Fitanisana]
 Enti-manondro zavatra na olona somary takontakona ka ny halaviran-toerana tondroiny dia mitovy amin' ny tondroin' ny fototeny niaviany "ito" ihany: Tiako loatra izato tanàna kely ato ambany andrefana voaravaka voninkazo. Matetika koa anefa ny "izato" dia mpamaritra anarana enti-manambony na manindrahindra zavatra: Endrey! izato tarehin-trano! na mamaritra mpisolo anarana misolo olona: Manao ahoana izato izy? [1.1]
 This near by (not in sight) [1.7]
 Celui-ci, assez près (pas visible) [1.8]
Tsipelina hafa 
Tsanganana sy sary iray takila Ny mpisolo rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/21