|
|
|
|

Teny iditra mandroso (roso)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Manolotra zavatra ho an' olona ka mametraka izany eo anoloany: Mandroso vary ho an' ny vahiny
Manatona akaikikaiky kokoa: Mandrosoa fa aza mijajirika eo am-baravarana eo fotsiny
Mitombo fahaizana: Mandroso tsara ny zanakao
Mandeha tsara ka ahazoam-bola betsaka na misy tombony betsaka, mahomby: Mandroso ny fitaterana ankehitriny
Lasa aloha fa tsy amin' ny toerana misy azy ihany: Nandroso haingana ny tafika
Lasa nihoatra nankany amin' ny...; mitsopaka, manaoangady be lela: Mandroso lavitra dia tavitra anatin' ny ranomasina ny morontsiraka amin' itý toerana itý ~ Mandroso be loatra amin' ny taniko izany asanao izany
Misondrotra, misandratra: Tsy nandroso voninahitra intsony ilay manamboninahitra [1.1]
 To progress, to forge ahead; to put forward, to present; to enter a house [1.7]
 Avancer, progresser; présenter une chose ou une idée; entrer dans une maison [1.8]
Ohatra Andeha hiara-mandroso daholo isika hoy Randrianaivo, fa mandany andro foana izao. [2.324]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandroso
Ny lasa : nandroso
Ny hoavy : handroso
Filaza mandidy : mandrosoa

Teny iditra Mandroso
Sokajin-teny anarana (gazety)
Mpanoratra 
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/21