|
|
|
|

Teny iditra maneno (neno)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mamoaka feo mikarantsana (fiteny indrindra amin' ny zavamaneno tendrena na pehina na tsofina): Maneno mafy ny lakolosy fa fety ny andro ~ Henonao ve izany bingona maneno izany?
Mihirahira (vorona): Raha vao maraina, dia heno maneno any anaty hazo any ny voronkely
Enti-milaza ny feom-biby madinika: Efa naneno ny sahona
Miteniteny mafy mikarantsana, mipentsompentsona, mivatsavatsa: Loza izany raha vehivavy; maneno ao izy no nilaozako
(fiteny somary baranahiny) Lafo be: Maneno izany vidin' itỳ vatosoa itỳ izany... [1.1]
 To sound [1.2, 1.7]
 To crow, to sing, to chirp, to ring. [1.2]
 To ring out [1.7]
 Sonner, retentir [1.3, 1.8]
 Produire un son, résonner, crier, chanter, braire [1.3]
Voambolana 
Ohatra Ireny no maneno sahala amin' ny lakolosy am-bovonana ka manome laza hafahafa tsy sitrany. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : maneno
Ny lasa : naneno
Ny hoavy : haneno
Filaza mandidy : manenoa

Teny iditra mañeno (eno)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
  [Sihanaka, Taisaka] Maneno [1.78]

Teny iditra maneno
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
  [Taisaka] Mampiempo (tenoy) [1.78]

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/18