|
|
|
|

Teny iditra manosika (tosika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mandronjina mba hivoaka amin' ny faritra iray na hamotraka: Aza manosika ahy ianao fa tevam-be itý akaikiko itý
Mandroaka tsy ho anisan' ny fianakaviana na foko, manary: Ny fokonolona no nanosika azy any ivelan' ny tanàna
Manakisaka ny vala namefena ny hazandrano mba hidirany ao anaty vovo: Manosika trondro [1.1]
 To shove; to urge [1.7]
 Pousser [1.8]
Ohatra 
1ary ny mamovo sy ny mamintana sy ny manosika, dia fomba fanao ny lehilahy izany. [2.48]
2Mahavita misaka na manosika ny olona raha tiany. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manosika
Ny lasa : nanosika
Ny hoavy : hanosika
Filaza mandidy : manoseha

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/26