|
|
|
|

Teny iditra manosotra (hosotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mandalotra, manatavona amin' ny menaka, loko, fotaka, savony: Manosotra menaka ny tarehiny i Sahondra isan' alina
Manamasina, mametraka na manokana hiandraikitra raharaha lehibe sy ambony: Manosotra ho mpitandrina [1.1]
 To smear, to paint, to apply a coating; to anoint with saliva etc. [1.7]
 Barbouiller, enduire: oindre; peindre [1.8]
 Badigeonner [1.13]
Ohatra Tamin' ny fifandonana nisy teny rehetra teny, hita izany manamboninahitra lefitra frantsay sara-namana izany, ka nanosotra fota-mainty ny tarehiny sy ny tanany, izany teknisiana nanao malabary sy satroka mololo be sofina, izany sambo-belona tafiditra anaty vondrona miaramila gasy, tsy sahy nisoka-bava, fa sao hampagain' ny fiteniny. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manosotra
Ny lasa : nanosotra
Ny hoavy : hanosotra
Filaza mandidy : manosora

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/17