|
|
|
|

Teny iditra midoroboka (doroboka)
Sokajin-teny mpamaritra
 Maniry tsara be ravina sady maitso: Midoroboka izaitsizy ny hazo raha voatohoka zezika betsaka
Malalaka be ambany sy mirebareba: Ny lamaodin' akanjo fahiny ho an' ny vehivavy dia akanjo midoroboka nasiana malakofa
Enti-milaza ny fihetsiky ny vorontsiloza amin' ilay izy mampibontsina ny elany ka miedinedina manao faribolana [1.1]
 Faire la roue, être touffu, se pavaner [1.3]
Ohatra 
1ny amontana midoroboka, ny rofia sy ny volo ravaky ny ala [2.587]
2Mihaantitra sy hazomanga midoroboka ka na mamony mena aza, tsy mahatam-boa intsony [2.470]
3hoy ilay tovolahy vao niditra nirebareba tamin' ny akanjo fanao an-trano nidoroboka [2.529]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : midoroboka
Ny lasa : nidoroboka
Ny hoavy : hidoroboka
Filaza mandidy : midoroboha

Nohavaozina tamin' ny 2024/05/23