|
|
|
|

Teny iditra migina (gina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Marenina: Migina ny sofiko amin' ny tabataba ataon' ireo ankizy ireo
Manao ditra, mikiribiby: Migina mivoaka foana izy na dia efa rarana aza
(rafitra) Miady tsara, mikaona tsara: Tsy migina ny rafitr' ity latabatra ity ka izany no mampitolilalila azy [1.1]
 To be deafened by too loud a sound. [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : migina
Ny lasa : nigina
Ny hoavy : higina

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/07