| Teny iditra |
mihalohalo
(halohalo)
|
| Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
| | Mihantona, mihebibehy eo ambony loha: Toa mahita zavatra mihalohalo eo ambony lohany foana, hono, izy Miahanahana, tsy mandroso tsy mihemotra: Aza mihalohalo eo an-tokonana eo ianao fa midira raha hiditra Misalasala: Mbola mihalohalo ihany ve ianao na hiara-kitsangantsangana aminay na hiarakandihy amin-dry Sahondra
Mijanona anelanelany, tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa: Nihalohalo tamin' ny adin' ny Frantsay sy ny Alemanina i Soisa [1.1]
|
| | To move, to be suspended, to look at from a distance, to be insufficient to fill a space; to be at liberty, to go about here and there. [1.2]
|
| Ohatra |
| 1 | Teo amin' ny fangirifiriako tamin' ny namoizana an' i Dada malala no nihalohalo an' ny tandindony tao amin' ny lalako.
[2.471]
|
| 2 | Mbola tsy maty akory ny masoandro sy asabotsy hariva, dia efa nisy olona nisodisody sy nihalohalo teny akaikikaikin' ny tranony teny.
[2.472]
|
|
| Haiendriteny |
| Ny ankehitriny : |
mihalohalo |
| Ny lasa : |
nihalohalo |
| Ny hoavy : |
hihalohalo |
| Filaza mandidy : |
mihalohaloa, mihalohaloy |
|
|