|
|
|
|

Teny iditra mikiry (kiry)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Manao ditra: Mikiry handeha izy na dia marary aza reniny
Mikezaka, mikely aina: Mikiry amin' ny fianarana Rabe ka tsy azo isalasalana fa ho afa-panadinana [1.1]
 To be obstinate [1.7]
 S'obstiner [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mikiry
Ny lasa : nikiry
Ny hoavy : hikiry
Filaza mandidy : mikiriza

Teny iditra mikiry (kiry)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
  [Taisaka] Miova, tonga [1.78]

Nohavaozina tamin' ny 2012/08/13