|
|
|
|

Teny iditra mikitroka (kitroka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mihidy vazana mampiady ny nify: Matetika rehefa marary mafy ny olona, mikitroka ny nifiny
Mifanety be, matevina: Any atsinanana, mikitroka ny ala ~ Mikitroka ny haizina
Midilotra (nify): Mikitro-nify izy noho ny hatezerana
Mandà tsy hanao, mitokona: Mikitroka foana io zaza io rehefa ampanaovin-javatra [1.1]
 To be thick or close together, to be obstinate
To gnash the teeth [1.7]
 être serré, épais; s'obstiner;
Grincer des dents [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mikitroka
Ny lasa : nikitroka
Ny hoavy : hikitroka
Filaza mandidy : mikitroha
Tovy hevitra mikitro-nify

Nohavaozina tamin' ny 2024/02/02