|
|
|
|

Teny iditra mikororoka (kororoka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Manala ny voam-bary amin' ny bozaka na ny akofa ka toy izao no fanaovana izany: alaina ny vary dia araraka avy ambony ary dia entin' ny rivotra ny bozaka na ny akofa..., fa ny voam-bary kosa midina ka angonina amin' ny sahafa
Manaratsy: Loza iny vehivavy iny raha hikororoka olona [1.1]
 To winnow grain in the wind [1.7]
 Vanner à la brise [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mikororoka
Ny lasa : nikororoka
Ny hoavy : hikororoka
Filaza mandidy : mikororoha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20