| Teny iditra | misafo (safo) | ||||||||
| Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||
| Mampandalo moramora ny tanana eo ambony zavatra iray: Misafo ny lohany mandrakariva io zazalahy io rehefa hiteny Manotra: Iza no nisafo ny tongotrao narary? Teny ilazana ny vehivavy bevohoka mitondra ny kibony hojeren' ny dokotera na ny mpampivelona: Tonga misafo isan-tapa-bolana eto amin' ny hopitaly io Ramatoa io. Mandalo mba hijery ny fandehan-javatra, mba hanara-maso: Hisy lehibe hisafo ny trano fitsaboana rahampitso Mijery taratra: Nisy lehilahy nisafo ny tanana omaly mba hangalatra [1.1] | |||||||||
| Ohatra | Raha voateny ny lesoka, misafo ny azy ny petakorona.
[2.346] | ||||||||
| Haiendriteny |
| ||||||||
| Teny iditra | misafo | ||||||||
| Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||
| [Taisaka] misasa [1.78] | |||||||||
| [Sihanaka, Tanala] Misasa tava, misasa maso [1.78] | |||||||||
| Nohavaozina tamin' ny 2023/10/06 |
|