|
|
|
|

Teny iditra miseho (seho)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Manolo-tena ho hita: Tsy sahy miseho intsony izy hatramin' ny nanaovany izany hadalana izany
Manomboka ho hita: Raha vao misokatra ny ridao, dia tovovavy no miseho eo ambony lampihazo ~ Efa miseho izao ny haratsiany
Mitombana: Misehoa ho lehilahy mafana fo
Mitranga, miposaka: Niandry ny masoandro hiseho izy vao nifoha [1.1]
 Mitranga araka ny hita maso [1.13]
 Apparaître [1.13]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miseho
Ny lasa : niseho
Ny hoavy : hiseho
Filaza mandidy : misehoa

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20