| Teny iditra |
mitahiry
(tahiry)
|
| Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
| | Manokana amin' ny toerana iray mba tsy ho lany na ho very na ho simba: Mitahiry vola hampianarany ny zanany rahatrizay izy Mitana: Tsy nitahiry afa-tsy izay boky ilainy izy fa namidiny daholo ny sisa rehetra Mitana amim-pitandremana, mampaharitra amin' ny toetra tsara: Nitahiry ny hadiovam-pony izy mandra-pahafatiny Mampaharitra: Mitahiry izao tontolo izao Andriamanitra. [1.1]
|
| | To keep, to take care of, to guard [1.7]
|
| | Conserver, garder [1.8]
|
| Ohatra |
| 1 | Ny tatavia dia kitapo mitahiry ny amany.
[2.424]
|
| 2 | Avoahy haingana re, Andriamatoa, raha misy fa mitahiry loza!
[2.643]
|
| 3 | Mitahiry tsiambaratelo mavesatra ny toerana maro any an' ala.
[2.472]
|
|
| Haiendriteny |
| Ny ankehitriny : |
mitahiry |
| Ny lasa : |
nitahiry |
| Ny hoavy : |
hitahiry |
| Filaza mandidy : |
mitahiriza |
|
|