|
|
|
|

Teny iditra mitoky (toky)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mametraka fanantenana: Tsy hitoky amin' olona mpamitaka toa anao na oviana na oviana aho
Miankina, miantehitra: Aza mitoky amin' ny fahaizan' ny tena [1.1]
 Avoir confiance ne, se confier à, compter sur: Aza mitoky amin' io lehilahy io (N'ayez pas confiance en cet homme, défiez-vous de cet homme) ~ Aza mitoky amin' ny haren' ny tany (Ne comptez pas sur les richesses de ce monde) [1.3]
Ohatra Ary mbola mitoky ny sampy ny olona monina any; [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitoky
Ny lasa : nitoky
Ny hoavy : hitoky
Filaza mandidy : mitokia

Teny iditra mitoky (toky)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
  [Tambahoaka] Maminany (ombiasa) [1.78]
 Mamosavy, mamorika [1.1]
 Ensorceler [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitoky
Ny lasa : nitoky
Ny hoavy : hitoky
Filaza mandidy : mitokia

Nohavaozina tamin' ny 2016/03/30