|
|
|
|

Teny iditra raorao (rao)
Sokajin-teny anarana
 Toetran' ny zavatra misy marokoroko ny ivohony, hasaosao, harokoroko
Adiady, fifandirana, tsy fifanarahana: Hialako io raharaha io fa toa be raorao be ihany. [1.1]
 Roughness [1.2, 1.7]
 Rugosité [1.8]
Ohatra 
1Omenay malalaka, omenay madiodio, omenay mangarangarana, tsy: misy raorao, tsy misy tohany, tsy misy tsikalany, tsy misy tongotra hitsipaka, tsy misy tanana handrangotra; [2.346]
2Raha mba nahay nanombana ny tena vidin' i Masy marina aho, fa tsy nanakalo azy tamin' ny akanga tsara soratra, dia angamba ho nilamina tsy nisy raorao ny fiainako manontolo. [2.471]
Sampanteny 

Teny iditra raorao
Sokajin-teny anarana
  [Sakalava] Fofon-drivotra mangatsiaka alohan' ny orana [1.1]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2025/04/28