|
|
|
|

Teny iditra silamo
Sokajin-teny anarana na mpamaritra
 Antokom-pivavahana naorin'i Mahometa, mino an'Andriamanitra tokana antsoiny hoe Allah, ary ny foto-pampianarany dia ao anatin'ny boky iray atao hoe Coran. Ny silamo dia miely eran'i Afrika (indrindra amin'ny ilany avaratra), any amin'ny tanin' ny Arabo, Tiorka, Irakianina, Iranianina...; tsy antokom-pivavahana fotsiny ihany ny silamo, fa mbola fitsipika iompanan'ny lalàm-panorenan'ny fanjakana misy azy avy [1.1]
 Olona anisan' ny antokom-pivavahana miozolimanina, naorin' i Mahometa [1.1]
Voambolana 
Ohatra Fantatr' I Lidy tamin' ny fahitàny, indray alina iny, fa manasina sy milalao fanafody amin' ny fomba silamo, Ramanambeloma mivady. [2.470]
Ny fihaviany Fanazavàna teny frantsay: islam.

Nohavaozina tamin' ny 2025/06/18