|
|
|
|

Teny iditra sosoka
Sokajin-teny anarana
 Kofehy asisika amin' ny fahan' ny lamba iray efa misy marambato mba hanamafy azy
Izay anampy ny efa misy
Izay ambolena asolo ny efa tsy naniry [1.1]
 Reprise [1.13]
  [Tanala] (sens général : ce que l'on intercale ; le bois tendre servait à faire les couvre-joints) [1.196]
Voambolana 
Ohatra 
1Novidina vaovao ihany daholo izany akanjonay rehetra izany, saingy ela mihitsy vao nisolo, ka zary efa feno sosoka sy tampitampina daholo. [2.472]
2Ahoana no tsy hiresahina etoana ny Lalàmpanorenan' i Etazonia, izay tsy niova hatramin' ny nanoratana azy tamin' ny 1787 kanefa nohatevenina tamin' ny sosoka fito amby roapolo tao anatin' ny 220 taona? [4.27]
Sampanteny 

Teny iditra sosoka
Sokajin-teny anarana
  [Tanala] Protorhus sericea Engl. (Anacardiaceae). [1.196]
Voambolana 
Anarana ara-tsiansa Protorhus sericea

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11