|
|
|
|

Teny iditra tavony
Sokajin-teny anarana
 Fonon' ny zaza raha mbola ao an-kibon-dreniny, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe ahitrana zandrin-jaza. (Tsy maintsy alàna tsara tsy misy hamelana ny tavony na ahitra rehefa avy miteraka, fa raha tsy izany mety hankarary; araka ny fomban' ny foko sasany dia alevina any anaty tany ny tavony; avy amin' ireo toetra amam-pomba mikasika ny tavony ireo no nahatonga ny fombam-piteny toy ny hoe: Mandihy tsy afa-tavony: mifaly ambony ihany nefa mbola misy loza mananontanona; ny tany nahalatsahan' ny tavony: enti-milaza ny toerana nahaterahana) [1.1]
 The afterbirth [1.7]
 Placenta [1.8, 1.13]
Voambolana 
Mpanahaka  ahitra ~ plasenta ~ zandrin-jaza

Teny iditra tavony (tavona)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana tavonana [Fitanisana]
Ohatra Tavony ny menaka ny mivonto [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2025/04/17