|
|
|
|

Teny iditra1  Fo mitohy
Singan-teny  2  fo, 3  mitohy
Sokajin-teny  4  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6  Rabearivelo Jean-Joseph
Lahatsiratra manontolo  7  Toa lisy maina, toa raozy malazo,
8  Misento fa ory sy manina anao,
9  Mariry tsy fantatra. Angaha voninkazo?
10  Asa, tsy fantatra hatramin'izao.

11  Miofo ny loko, malazo ny taho,
12  Toa zary bozaka, tsy lisy intsony.
13  Tsy hehy na tsiky fa feo mitalaho,
14  Toa rivo-baratra tsy mba mitony

15  Miova ho fatana izany masoandro,
16  Ny rivotra koa manjary mamono:
17  Izany no fiainana maizina antoandro
18  Manolo-poizina izay mila ronono

19  Ny lira madinika, mozikan'Edena:
20  Izany tsy re, izany tsy misy;
21  Tsaroana fa singany irery ny tena,
22  Tsaroana fa bozaka ilay tsy mba lisy.

23  Ry vorona ery! Ry rivo-mandalo!
24  Andeha mba ilazao ilay tiana sy tia
25  Fa ketraka hoe ka tena mimalo
26  Ilay tsy eo anilany lavitra aty.

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13