Teny iditra (1/5) | 1 ho |
Sokajin-teny | 2 kianteny [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Teny kely fametraka eo alohan' ny teny iray hanambarana ny fotoana ho avy, ka io teny ialohany io mety ho: -- Anarana: Ny ho dokotera no kendreny -- Mpamaritra anarana: Ho hendry aho amin' ny sisa -- Mpisolo anarana: Ho izany tokoa! -- Matoanteny: Ho tonga rahampitso izy / Ho vita ity rahariva (raha matoantenin' ny iharana misy tovana, mitovona ny ho: Hovitaiko ity rahariva) -- Mpamaritra matoanteny: Ho aiza i Neny? -- Ho any an-tsena aho, anaka Teny kely fametraka eo alohan' ny an- na ny mpisolo anarana misolo olona fameno (ahy, anao, azy...) ka enti-milaza ny olona voakendry ho tompon-javatra: Ho andRakoto, ho antsika Teny fanao: a) eo aorian' ny matoanteny toy ny hoe atao, heverina hilazana toe-javatra tsy tahaka ny niheverana azy: Nataoko ho efa lasa ianao; b) eo aorian' ny matoanteny, toy ny hoe manao, mihevitra, mihambo, hilazana toetra tsy ananana: Manao azy ho adala, mihevitena ho mahay; d) eo aorian' ny matoanteny toy ny manova, miova, ovana: Miova ho tsara Teny fampidirana ny fehezan-kevitra milaza zava-kendrena: Mihinana mba ho velona, fa tsy velona mba hihinana, na firariana: Ho tonga anie i Dada! Eo anelanelan' ny mpamaritra matoanteny miverina indroa enti-milaza toerana na fotoana tsy voafaritra marina: Aiza ho aiza, eto ho eto, atsy ho atsy |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] sign of the future tense, used before consonants, as -- tonga, v. arrived; ho tonga, will arrive -- tapahina, v.pass. to be cut; hotapahina, will be cut |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.8] marque le futur; se met devant les consonnes; ex. -- tonga, v. arrivé; ho tonga, arrivera -- tapahina, v.pass. qu'on coupe; hotapahina, qu'on coupera |
Kamban-teny |
|
Anaram-javamaniry |
|
Lohateny |
Teny iditra (2/5) | 81 hô |
Sokajin-teny | 82 mpampiankin-teny [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
83 [1.78] [Tanosy]
tahaka, sahala |
Teny iditra (3/5) | 84 ho |
Sokajin-teny | 85 tambinteny [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
86 [1.78] [Tanosy]
toa, toy ny, toy izany: hô fary, ny lohany indray botsa |
Kamban-teny |
|
Teny iditra (4/5) | 93 ho~ |
Sokajin-teny | 94 tovona [Fitanisana] |
Teny iditra (5/5) | 95 Ho
![]() |
Sokajin-teny | 96 anarana (eva) |
Fanazavàna teny malagasy |
97 [3.1] Singa mivaingana, faha-67 amin'ny fisokajiana miherina. |
Fanazavàna teny anglisy |
98 [3.1] Holmium. |
Voambolana |
99 Simia |
Tsanganana sy sary iray takila |
100 Fisokajiana miherina |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/05 |
![]() |