|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  kiakiaka
Fototeny  2  kiaka
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Antsoantso mafy mankarenin-tsofina: Henonao oe izany kiakiakana kisoa vonoina izany?
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] piercing cries
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] cris perçants
Ohatra  7  Nangina tampoka ny tafondro marovava, fa dridridridry sy kiakiaka mifangaro teny ratsy no nisolo azy. [2.472]
8  kiakiaka sy antsoantso "Dada Dada" moa izany ny azy telodahy niantsavika an' ingahy Rainitoandro sy nanao akory azy. [2.470]
Voambolana  9  Feo
Haiendriteny 
10  Tsotra :
Sampanteny 
11  Matoantenin' ny mpanao :
12  Matoantenin' ny iharana :
13  Anarana :

Teny iditra (2/2)14  Kiakiaka
Singan-teny  15  kiaka
Sokajin-teny  16  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Ohatra  17  Avaradrano sy kiakiaka sy Lavadrano sy ny manodidin' Ankaratra, izao no nitoeran' Andriamberosalama zanak' Andriamanalina, natao n'Andrianampoinimerina voady ho an' Andriantsoanandriana raha mandry i Merina. [2.48]
Voambolana  18  Haitoetany: tanàna

Fivaditsoratra  19  akiakiak, kaikaika, Kiakiaka, kiakiaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/07